08-11-2026

MadagascarMidi Madagasikara

RN7 : Taxi-brousse voatafika, lasa ny vola, mpandeha iray naratra

Tsy nanaiky mora foana ny hisintomana ny kitapo teny aminy ity mpandeha iray ka avy hatrany dia noleran’ireo olon-dratsy ny antsy ary naratra mafy. Miverina indray ny lazan’Ambatofitorahana sy ny fanakan-dalana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny? Omaly vao mangiran-dratsy, taxibrousse iray avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Toliara no niharan’ny fanafihana, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe « stop », fokontany Ambohimiarina, kaominina Anjoma Nandihizana. Atsimo kelin’Ambatofitorahana, anelanelan’Anteza sy Camp Robin, raha ny fanazana azo. Vokany, entan’ireo mpandeha maromaro no lasa, niaraka tamin’ny vola aman’hetsiny teo no eo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Mpandeha iray no naratra vokatr’izay ary efa nahazo fitsaboana eny anivon’ny tobim-…

Lohateny fanampiny