08-11-2026

MadagascarMidi Madagasikara

Orinasa Enelec sy ny Jirama : Horaisin’ny Jirama an-tanana ny fitantanana ny toby famokarana herinaratra

Mila sahy ny mpitondra Malagasy manao izao hetsika ho fitantanana toby famokarana herinaratra toy izao, raha mahita fa manaotao foana ireo teratany vahiny mpitantanana izany hatramin’izay. Samy nankasitraka izao fepetra noraisin’ny fanjakana Malagasy amin’ny fanaovana « réquisition » ny orinasa « Enelec » eto Toamasina, ao anatin’ny vondrona Filatex ; vokatry ny didim-panjakana laharana 2026-2432 tamin’ny 03 novambra 2026. Manomboka izao vokatra izany araka ny nambaran’ny minisitry ny angavo sy ny ankoranafo teto Toamasina dia ny Jirama no misahana ity toby famokarana herinaratra ity. Araka ny nambarany koa dia ny jirama no mandray anjara amin’ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny Enelec izay mbola miasa mampihodina ny orinasa. Fanovana goavana izao misy eo anivon’ny Jirama To…

Lohateny fanampiny