Bemokotra-Maevatanàna : Zandary iray hita faty tao an-tranony, ahiana ho nitifi-tena
Ny marainan’ny zoma teo, zandary iray no hita faty tao amin’ny trano fonenany, taorian’ny nahenoana feom-basy tao amin’ilay toby. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy 40 minitra maraina no nahenoana poa-basy avy tao amin’ny tranon’ilay zandary. Niezaka niantso azy tamin’ny finday ny lehiben’ny toby, saingy tsy nahazo valiny. Noho izany dia nampiantsoina ny lehiben’ny fokontany sy ny olona vitsivitsy teo an-toerana mba hijery ny zava-nisy. Rehefa voasokatra ny varavaran-trano dia hita teo ambony fandriana ny razan’ilay zandary, izay mbola nanao fanamiana. Basy marika FAC, mitondra ny laharana 06770, no hita teo akaikiny. Araka ny fizahana voalohany, ahiana ho nitifitra ny tenany tamin’io fitaovam-piadiana io izy. Randriambololona Solofo Davinot no anarany, zandary miasa eo anivon’ny zanatobim-parit…