KMF/Cnoe : «Tokony hoferana ny vola amin’ny propagandy»
Naneho ny heviny ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao andro vitsy mialoha ny hanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fehin-kevitra voaangona tamin’ny dinika fakan-kevitra teny Iavoloha, ho fanomanana ny fifidianana izao. Hotanterahina eny Ivato, ny alatsinainy 9 sy talata 10 desambra izao ny dinika, andiany faharoa, handraisana fanapahan-kevitra iraisana ho fanatsarana ny zotram-pifidianana. Notsiahivin’ny KMF/Cnoe ny fitakiana ny amin’ny tokony hampiharana ireo fanovana nangatahin’ny firaisamonim-pirenena, natolotra ny filoham-panjakana teny Iavoloha, ny volana septambra lasa teo. «Takinay ny famerana ny fandaniana amin’ny fampielezan-kevitra sy ny faharetan’izany», hoy ny sekretera jeneraliny, Tolojanahary Anceliot. Itovian’izy ireo hevitra amin’ireo antoko sy ny ankamaroan’ny fikambanana…