Rakoto Andrianirina Fetison : « Ny fikaonandoham-pirenena no mandeha mialoha »
Naneho ny heviny, taorian’ny fanapahan’ny HCC ny amin’ny hanatanterahana ny fitsapankevi-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny RDS, Rakoto Andrianirina Fetison. Nambarany fa efa handeha amin’ny herinandro ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fakan-kevitra momba ny fifidianana. Mbola andrasana kosa anefa ny fikaonandoham-pirenena hotarihin’ny FFKM. «Samy manana ny lanjany ireo dingana ireo, saingy tsy tokony hafangaro. Ilaina ny fanomanana ny fifidianana fa tokony hiainga amin’ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenena ny famaritana ny rafitra hitondrana ny firenena sy ny lalàmpanorenana vaovao», hoy izy. Nofaritany tamin’izany fa tokony hazava ny filaharany. Atao mialoha ny fikaonandoham-pirenena, miaraka amin’ny famoahana ny fehin-kevitra. Miroso ami…