« SLANG Freedom 250 » : Tany Mahajanga ny nanombohana ny fifaninanana
Vita tamin’ity herinandro ity ny atrikasa nanomanana ny “Slang Freedom 250”. Fifaninanana Slam amin’ny teny anglisy, karakarain’ny Madagaslam. Manomboka ny fifaninanana ! Nahafahana nandalina ny fahalalahana maneho hevitra “Freedom of Speech”, nianarana nanoratra sy nandray fitenenana ary nanao slam amin’ny teny anglisy ny atrikasa natrehin’ ireo tanora ao amin’ny programa « Slang Freedom 250 ». Hiditra amin’ny fifaninanana eny anivon’ireo tanàna telo, ho fiomanana amin’ny famaranana nasionaly, ny Madagaslam. Araka izany, ny tany Mahajanga no nanombohana ny fifaninanana, omaly. Hitohy eto Antananarivo izany, anio, amin’ny 9 ora maraina. Any Taolagnaro kosa ny hamaranana azy, ny alatsinainy 9 novambra izao, amin’ny 2 ora tolakandro. Hizarana ny tononkalo, hizarana ny sehatra ary hiainana…