08-11-2026

MadagascarNewsmada

INDRAY MIJERY

Hofarananana rahampitso ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Akanin’ny marenina (Akama). Hisy ny fanolorana maribo­ninahitra ho an’ireo mpiara-miasa nahavita be ta­min’ny asa. Hotolorana mari-pahaizana ihany koa ireo miofana teny tanana lenta 1. Hotanterahina eny amin’ny FLM Toby Ambohibao ny fotoam-pivavahana. Notoloran’ny ONG AP2D Kit ireo marary mitondra colostomie ao amin’ny HJRA. Manampy amin’ny fanatsarana ny fikarakarana ny marary ireo fitaovana. Anisan’ny nisitraka izany ny fikam­banana APLM. Nankasitraka ny fanomezana ireo marary. Tanterahina any Ankazobe (FPMP 35), omaly sy anio, ny Rentrée solennelle an’ny sekoly FJKM, izay karakarain’ny foibe fitondran-tsekoly FJKM. Mitaiza tanora maro ny sekoly FJKM ary mamolavola ankizy sy tanora ho tonga olom-banona.

Lohateny fanampiny